FANALAHIDIN’NY FIARENANA I

« Aza mifaly ahy, ry fahavaloko,
Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany;
Raha mitoetra ao amin’ny maizina aho,
Dia Jehovah no fahazavana ho ahy » Mika 7:8

✅Manoloana ny fiainana dia misy ny fahalavoana, sady mpitranga Izany. Na ho an’ olona Mpino na ny tsy Mpino . Fa eo anoloan’ny fahalavoana kosa nefa dia azo atao tsara no miarina. Misy fahalavoana any amin’ny takona tsy misy mahita nafenin’Andriamanitra, fa misy kosa fahalavoana na faharavana izay natao hitan’ny fahavalo, hitam-poko hitam-pirenena.
Lehibe lavitra ny voninahitra raisin’ny olona teo anoloan’ny fidarabohana teo imason’ny fahavalo. Na izany aza, tokony hatao izay tsy ahatonga ny fahafahambaraka nefa raha tsy maintsy hisy dia tsy faran’ny fiainana akory Izany. Raha fahafaham-baraka dia ny an’i Jesosy no lehibe indrindra

✅Azo atao tsara ny miarina sy ny manarina fiainana
Tsisy marina tsy hotafarina izany satria efa nohamarinina tamin’ny ran’i Jesosy isika.
Azo antoka izany fa ny marina tsy maintsy tafarina , ny marina tsy sakaizan’ny fahalovana fa sakaizan’ny fahavelomana
Ny marina potraka dia misy, fa ny marina tsy hotafarina izany tsy misy mandrakizay.

Tags: No tags

Add a Comment

Your email address will not be published. Required fields are marked *

12 + 13 =

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.